<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>683</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Ao am-pitan'ilay lohasaha
 izay
 Alo-pahafatesana koa,
 Moa mba tsinjonao ve 'rý
 tanàna iray
 'Zay mamiratra toa vatosoa ?
 Ny masoandrony tsy mba
 milentika koa
 'Zay rehetra mby ao voadio
 avokoa
 Ka mamiratra toa vatosoa.

[V2]
 Ny Mpanjakany dia 'Lay Ray
 be fitia
 Sady aina ho an'izay ao ;
 Ry mpanota mibebaka ô,
 matokia
 Hosasany hadio hianao,
 Ny masoandrony ..sns.

[V3]
 Nefa tsinjoko fa ny fidirana
 ao
 Dia am-pototr'ilay lakoroà !
 He mideza sy ety ny lala-
 mankao
 O, ry foko, moa ho kivy va ?
 Ny masoandrony ..sns.

[V4]
 Olo-masina maro no tsinjoko
 'ndreo
 Ao mihira sy mitafy vao ;
 Iriko indrindra ho isan'ireo
 Ka tantano, Jeso aho, ho ao.
 Ny masoandrony ..sns.</lyrics>
<title>Ao am-pitan'ilay lohasaha izay FFPM683</title>
</song>